티스토리 수익 글 보기

티스토리 수익 글 보기

WordPress.org Malagasy https://mg.wordpress.org WordPress aminy teny malagasy Wed, 30 Apr 2025 18:38:07 +0000 mg-MG hourly 1 https://wordpress.org/?v=7.0-alpha-61499 https://s.w.org/favicon.ico?2 WordPress.org Malagasy https://mg.wordpress.org 32 32 19446965 🔧 WordPress 6.8.1 Fanavaozana Fikarakarana (Maintenance Release) https://mg.wordpress.org/2025/04/30/%f0%9f%94%a7-wordpress-6-8-1-fanavaozana-fikarakarana-maintenance-release/ https://mg.wordpress.org/2025/04/30/%f0%9f%94%a7-wordpress-6-8-1-fanavaozana-fikarakarana-maintenance-release/#respond Wed, 30 Apr 2025 18:38:07 +0000 https://mg.wordpress.org/?p=14058 WordPress 6.8.1 dia efa azo ampiasaina izao!

Ity fanavaozana madinika ity dia mitondra fanamboarana bibikely 15 ao anatin’ny rafitra fototra (Core) sy ny mpanonta amin’ny endrika “Block Editor”. Ireo fanamboarana ireo dia mikasika faritra maro samihafa amin’ny WordPress, anisan’izany ny block editor, multisite, ary ny REST API. Raha mila ny lisitra feno amin’ireo bibikely voavaha, dia jereo ny fanambarana release candidate.

📌 WordPress 6.8.1 dia fanavaozana fikarakarana fohy. Hisy fanavaozana fanampiny havoaka mandritra ny taona 2025.

🔄 Raha manana tranonkala mampandeha fanavaozana mandeha ho azy ianao, dia hanomboka ho azy ny fanavaozana.

⬇ Azonao atao ny misintona WordPress 6.8.1 amin’ny WordPress.org, na miditra ao amin’ny Dashboard-nao, tsindrio ny “Updates”, dia avy eo “Update Now”. Raha mila fanazavana fanampiny momba ity fanavaozana ity dia tsidiho ny tranonkala HelpHub.

]]>
https://mg.wordpress.org/2025/04/30/%f0%9f%94%a7-wordpress-6-8-1-fanavaozana-fikarakarana-maintenance-release/feed/ 0 14058
Indro ny Wapuu (mascotte) an’ny WordPress Malagasy 🥰 https://mg.wordpress.org/2025/04/17/wapuu-malagasy/ https://mg.wordpress.org/2025/04/17/wapuu-malagasy/#respond Thu, 17 Apr 2025 23:40:24 +0000 https://mg.wordpress.org/?p=14041 Mariky ny firosoana sy ho famelombelomana hatrany ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy mpikirakira WordPress malagasy, dia manana ny Wapuu na mascotte azy manokana izao ny Fianakaviamben’ny mpikirakira WordPress Malagasy, ary atolotra eto miaraka aminy ny torolalana (charte graphique) ho ampiasaina amin’ny fifandraisana sy fanentanana fampiasana WordPress Malagasy manomboka izao.

Inona izany Wapuu ?

Ny Wapuu dia sary maneho biby noforonina manokana ho “mascotte” mampiavaka ireo vondrona na hetsika manodidina ny WordPress. Tany amin’ny taona 2009 tany no niandohan’ny hevitra, nandritra ny WordCamp tao Japon. Taty aoriana dia lasa isan’ny kolotsaina mampiavaka sy lalaovin’ireo mpikirakira WordPress manerana an’izao tontolo izao ny Wapuu. Tsy latsa-danja intsony izao isika Malagasy fa efa manana ny antsika koa.

Endriky ny Wapuu antsika

Niainga tamin’ny Mascotte Wapuu voalohany mihitsy ny endriky ny Wappu ho an’ny Fianakaviambe Malagasy. Manao fitafin’ireo mpanao Hira Gasy (voasokajy ho Patrimoine Culturel Immatériel de l’humanité mampiavaka an’i Madagasikara ny Hira Gasy).

Misy endrika karazany roa io Wapuu io : ny endrika voalohany (mitazona ny “W” an’ny WordPress) rehefa hanehoana ny Communauté manontolo, ary ny endrika faharoa (mitazona “A/🈗”) rehefa maneho manokana ny ekipa mpanao dikateny (Polyglot team)

Niainga avy tamin’ny soso-kevitr’i Rafamelantsoa Lucianno Annicolas (TSIKETA Mazoto).

Torolalana fampiasana (Charte Graphique)

]]>
https://mg.wordpress.org/2025/04/17/wapuu-malagasy/feed/ 0 14041
WordPress 6.8 Release Candidate 3 https://mg.wordpress.org/2025/04/08/wordpress-6-8-release-candidate-3/ https://mg.wordpress.org/2025/04/08/wordpress-6-8-release-candidate-3/#respond Tue, 08 Apr 2025 17:22:55 +0000 https://mg.wordpress.org/?p=14017 Vonona sintonina sy andramana ny RC3 (Release Candidate faha-3) an’ny WordPress 6.8 !

Amin’izao fotoana izao dia mbola eo am-panaovana fitsapana sy fanitsiana farany ity kinova vaovao ity. Tsy tokony hapetraka amin’ny tranonkala tena ampiasaina andavanandro (production) na amin’ny toerana manan-danja be. Azo andramana amin’ny tranonkala fitsapana (test) na amin’ny servisy staging.

Ny famoahana ny RC3 dia dingana lehibe manakaiky ny fanombohana ofisialy. Na dia efa madio sy manakaiky ny farany aza, mbola ilaina ny fanandramana avy amin’ny rehetra hahazoana antoka fa mandeha tsara sy tsy misy olana ny WordPress 6.8.


Ahoana no hitsapana ny WordPress 6.8 RC3?

🔌 Amin’ny alalan’ny pluginApetrakao ny plugin WordPress Beta Tester, dia fidio ny “Bleeding edge” channel sy ny “Beta/RC Only” stream.
📦 Sintomy mivantanaSintomy amin’ny endrika .zip ny RC3 ary apetraho amin’ny tranonkalanao WordPress.
💻 Amin’ny baiko Command LineAmpiasao ity baiko WP-CLI ity:
wp core update --version=6.8-RC3  
🌐 Amin’ny WordPress PlaygroundAndramo mivantana ao anaty navigateur amin’ny alalan’ny WordPress Playground 6.8 RC3 (azo ampiasaina 35 minitra aorian’ny famoahana). Tsy mila manangana tranonkala na manao fanamboarana manokana.

📅 Daty famoahana ofisialy kasaina: 15 Aprily 2025
Raha mila antsipirihany, jereo ny lahatsoratra ao amin’ny Make WordPress Core blog.


Inona no ao anatin’ny RC3?

Raha te hahafantatra ireo fiasa vaovao lehibe amin’ny WordPress 6.8, dia jereo ilay fanambarana Beta 1. Raha mila vaovao ara-teknika kokoa mikasika ny fanovana natao taorian’ny RC2:


Ahoana no ahafahanao mandray anjara?

WordPress dia sehatra open source noforonin’ny vondrom-piarahamonina maneran-tany. Ireto misy fomba ahafahanao manampy, na dia tsy mpanjary kaody aza ianao :

🧪 1. Mitsapa sy mitady olana

Zava-dehibe ho an’ny fitoniana sy kalitao. Mety ho an’ny rehetra, ary tena ilaina!

  • Torolalana hitsapana WordPress 6.8
  • Raha vao manomboka ianao: Jereo ity torolalana ankapobeny ity
  • Raha mahita olana:
    • Alefaso ao amin’ny Alpha/Beta support forums
    • Na amin’ny WordPress Trac, raha afaka manoratra tatitra mazava sy feno.

🛡 2. Mitady lesoka fiarovana

Hatramin’ny 15 Aprily 2025, hita avo roa heny ny valisoa ho an’izay mahita lesoka vaovao.

  • Araho ny fitsipika sy torolalana amin’ny pejy HackerOne sy ny taratasy fiarovana.

🔌 3. Fanavaozana lohahevitra sy plugins

Ho an’ireo mpamorona plugins/lohahevitra:

  • Vakio ny WordPress 6.8 Field Guide.
  • Ataovy azo antoka fa mifanaraka amin’ny 6.8 ny vokatrao.
  • Manavao ny “Tested up to” ao amin’ny readme.txt.

Raha mahita olana, alefaso ao amin’ny forum.

🌍 4. Mandika amin’ny fiteny hafa

Miteny fiteny hafa ankoatra ny anglisy? Espaniola? Frantsay? Rosianina? Malagasy?

Afaka manampy amin’ny fandikan-teny amin’ny fiteny 100 mahery ianao! Mirosoa eto


Tononkalo kely RC3 😄

Efa manakaiky,
Miantsa i WordPress 6.8,
Fotoana hanjelatra.

]]>
https://mg.wordpress.org/2025/04/08/wordpress-6-8-release-candidate-3/feed/ 0 14017
21 febroary – Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny https://mg.wordpress.org/2025/02/20/21-febroary-andro-iraisam-pirenena-ho-anny-tenin-dreny/ https://mg.wordpress.org/2025/02/20/21-febroary-andro-iraisam-pirenena-ho-anny-tenin-dreny/#respond Thu, 20 Feb 2025 13:16:42 +0000 https://mg.wordpress.org/?p=14004 Fanamby goavambe no raisin’ireo mpirotsaka an-tsitrapo vitsivitsy  : handika ny fitaovana fitantanana tranonkala “WordPress” ho afaka ampiasaina amin’ny teny malagasy. Zava-kendrena amin’izany ny ho fandraisana anjara hampihenana ny tsy fitoviana amin’ny fisitrahana fahalalana eo amin’ny tontolo niomerika.

Ny WordPress dia fitaovana Open Source izay mampiodina ny 43%-n’ireo tranonkala rehetra hitantsika ankehitriny. Fitaovana tsy azo ihodivirana izy raha amin’ny sehatry ny famokarana eo amin’ny internet. Hatreto nefa mbola tsy misy ny dika teny izy, ka sakana ho an’ireo malagasy 83% tsy mahay teny vahiny hafa tsy ho afaka hamokatra na hitrandraka fahalalana na haneho hevitra amin’ny teny manakaiky ny fony.

Hanafoana io elanelana io no antom-pisian’ity ezaka ity.

Hitondra fanovana any am-pototra avy hatrany, mba tsy ho voatokana ho an’ny mahay teny vahiny ny fandratoana sy famokarana fahalalana

Marina fa mbola lavitra ny lalana, nefa kosa efa nahavita dingana goavana i Madagasikara na teo amin’ny lafiny ara-fotodrafitrasan’ny fifandraisan-davitra, na teo amin’ny fandrindrana ireo tolotra momba ny internet hisokatra sy hisiana fifaninana hampihenana ny sarany.

Na ho tratra aza nefa ny tanjona amin’ny fotodrafitrasa sy ny fihenan’ny sarany, dia mbola hijanona ho sakana ny eo amin’ny teny sy fiteny. 

Maro amin’ireo tranonkalan’ny andrim-panjakanantsika, sy ireo loharanom-pahalalana fototra eto amintsika no natao tamin’ny alalan’ny WordPress, nefa mbola amin’ny teny vahiny manontolo na ampahany.
Rehefa voadika amin’ny teny malagasy ny fitaovana fototra, WordPress, dia ny tontolon’ny internet manontolo eto amintsika mihitsy no hiroborobo.

Hitombo ireo mpamokatra fahalalana sy fanehoan-kevitra amin’ny teny malagasy, hitombo manaraka izany ny tolotra ka hanaraka ho azy ireo mpampiasa amin’ny sehatra maro. 

Fanentanana no atao: dimy minitra isan’andro avy aminao dia efa manova zavatra

Miankina tanteraka amin’ireo mpirotsaka an-tsitrapo manokana fotoana amin’ny fandikan-teny ny fahatanterahan’io tanjona io. 

Tsy mila fahaiza-manao teknika be! Ny dikanteny tsirairay vitanao dia efa mandray anjara amin’ny fanorenana tontolo niomerika mampiaty kokoa.”, hoy i Ulrich Andrianina, anisan’ireo mpandrindra ny fandikanteny.

Azon’ny orinasa na ireo vondrona efa mampiasa maimaimpoana ny WordPress ho an’ny tranonkalany koa ny manokana fotoana sy mamporisika ireo ekipa miasa ao aminy ho fandraisana anjara, na amin’ny dikateny na amin’ny fanatsarana ny kaody mihitsy koa aza.

Momba ny WordPress

WordPress dia fitaovana izay mamokatra sy itantanana ny 43%-n’ireo tranonkala rehetra hitantsika ankehitriny eran’ny internet. Vondrona mpirotsaka an-tsitrapo manerana izao tontolo izao no mifanome tanana mamolavola sy mampivoatra azy amin’ny ankapobeny.

Hamantatra misimisy kokoa: https://fr.wordpress.org/about/ Handray anjara amin’ny fandikan-teny : https://mg.wordpress.org/handray-anjara/

]]>
https://mg.wordpress.org/2025/02/20/21-febroary-andro-iraisam-pirenena-ho-anny-tenin-dreny/feed/ 0 14004
Ny teny Malagasy sy ny tontolon’ny teknolojia https://mg.wordpress.org/2023/10/31/ny-teny-malagasy-sy-ny-tontolonny-teknolojia/ https://mg.wordpress.org/2023/10/31/ny-teny-malagasy-sy-ny-tontolonny-teknolojia/#respond Tue, 31 Oct 2023 20:16:13 +0000 https://mg.wordpress.org/?p=6314 Mitohy ary tena mivoatra hatrany ny tontolon’ny teknolojia amin’izao fotoana izao. Efa maro tokoa ny zavatra hita toy ny fisian’ny I.A, ny fandehanan’ireo tranokala maro misy eran-tany. Ary na ny eto an-toerana aza dia efa maro tokoa ny tanora manomboka liana sy mirona amin’io tontolon’ny fandrosoan’ny teknolojia io.

Ny teny Malagasy sy ny tranokala

Anisan’ny mbola ezaka mandeha hatramin’izao ny fanaovana sy fanatsarana ny tranokala Malagasy. Matetika moa dia somary tsy dia misy mpiraharaha ny tranokala sasany satria hoe tsy dia misy mpitsidika. Nefa koa, efa misimisy ihany ireo miditra misehatra anatin’io toy ny mpivarotra entana informatika ohatra izao na mpivarotra antsinjarany toa an’ny Supermarche.mg izay mampiasa ny fitaovana WordPress anatin’ny tranokalany.

Supermarché.mg

Ny fitaovana WordPress sy ny tetikasa teny Malagasy

Amin’izao fotoana hanoratako izao dia mbola mandeha ary mitohy hatrany ny tetikasa entina mametraka ny teny Malagasy anatin’ny fitaovana. Mbola maro dia maro ny ezaka miandry izay mbola ilaina fiaraha-miasa ary fiaraha-mientana amin’ny fanatanterahana izany.

Atao inona tokoa moa izany WordPress amin’ny teny Malagasy izany ?

Anisan’ny mahagaga tokoa hoe maninona marina moa izany no tokony havadika amin’ny teny Malagasy ny WordPress. Izany ve tsy ho fandaniam-potoana be fotsiny ihany ?

Tsia, tsy fandaniam-potoana no antony hanaovana azy ity fa noho ireto antony manaraka ireto :

Entina hanandratana ny Malagasy eo amin’ny tontolon’ny teknolojia.

Raha mahita ianareo dia anisan’ny tena mbola lavitr’ezaka be izany hoe tranokala Malagasy izany raha oharina amin’ny hafa. Ary tsy ny tranokala ihany fa ny teny Malagasy sy ny kolontsaina Malagasy mihitsy no anisan’ny voakasik’io.

Maro amintsika zao ohatra ny mihomehy raha vao mahita an’ireny IA ireny na ireny famadihana teny ireny amin’ny teny Malagasy. Ny antony dia satria mbola vitsy ny tena manaparitaka ny kolontsaintsika sy ny fitenintsika amin’ny hafa.

Ny WordPress no anisan’ny be mpampiasa indrindra eran-tany sy mora ampiasaina.

Ity fitaovana ity no anisan’ny fitaovana mora sy azo ampiasain’ny rehetra. Tsy mila dia tena hoe mahay ny resaka informatika aty amin’ny sehatry ny tranokala vao tokony hampiasa an’ity. Ity mihitsy aza no manampy antsika tsy ho lany fotoana be sy hifantoka tanteraka amin’ilay tena tanjona.
Anisan’ny tetikasan’ity orinasa iray ity ny fiparitahan’ny fitaovana amin’ny fiteny rehetra isam-pirenena. Ka efa mandray anjara amin’io ny Malagasy ary mbola eo amin’ny 17% ny asa na 1085 isa ny teny efa vita hatramin’ny nanombohan’ny tetikasa.

Raha toa ka mahaliana anao ny handray anjara amin’ny famadihana an’ity fitaovana ity amin’ny Malagasy dia manasa anao hamaky an’ity lahatsoratra ity.

Hampisehoana fa vitan’ny Malagasy ny miaina anaty fivoarana.

Mety hoe manana an’ilay finday tena raitra be ireny ianao, na koa tena maharaka tanteraka ny fivoarana any ivelany ireny isa-minitra. Nefa ny aza adino, fa raha vitantsika eto an-toerana ny mampiasa an’ireny fivoarana ireny araka ny tokony ho izy sy hampiseho fa anisan’ny tena mpampiasa ny teknolojia isika, dia tena tsara kokoa ny manisy marika mazava.

Tsy hijanona ho mpampiasa ny teknolojia fotsiny ihany isika, fa ho tena tompon’ny fivoaran’ny teknolojia. Sady ny fametrahana marika hita maso toy ny fisian’ny teny Malagasy eo amin’ireny tranokala malaza ireny dia efa tena manaporofo fa efa miditra anatin’ny fandrosoana ny firenena indrindra eo amin’io tontolo io.

Koa andeha ary isika handroso hatrany hampiseho fa ilaina fivoarana ny firenentsika ary miatomboka amin’ny fametrahantsika marika izany hoe misy i Madagasikara aty toy izao ny fitenin’izany antsoina hoe Malagasy izany.

Teny manentana amin’ny fampiasana ny teny Malagasy
Andrianiko ny teniko fa Malagasy aho.


]]>
https://mg.wordpress.org/2023/10/31/ny-teny-malagasy-sy-ny-tontolonny-teknolojia/feed/ 0 6314
Tena mbola ilaina ve ny hanao tranonkala amin’ny teny malagasy ? https://mg.wordpress.org/2020/05/16/tena-mbola-ilaina-ve-ny-hanao-tranonkala-aminny-teny-malagasy/ https://mg.wordpress.org/2020/05/16/tena-mbola-ilaina-ve-ny-hanao-tranonkala-aminny-teny-malagasy/#comments Sat, 16 May 2020 13:40:43 +0000 https://mg.wordpress.org/?p=84 WordPress no CMS mampiodina maherin’ny 35% an’ny tranonkala amin’izao fotoana izao, sady mora ampiasaina indrindra. Anisan’ny ahitana azy betsaka ireo tranonkala, hatramin’ireo tranokalan’ny andrim-panjakana maro eto amintsika. Saika teny français foana nefa matetika no fampiasa amin’ireny tranonkala ireny, na ireo mampiasa WordPress na tsia. Misy aza mahavita mitantana teny maro ankoatra ny français, toy ny teny english na koa ny italiano ho an’ireo trano fandraisam-bahiny.

Misy ihany ireo blaogy vitsivitsy (tena vitsy) miezaka mizara amin’ny teny malagasy. Saingy matetika blaogy tsotra ihany ireo fa vitsy ny loharanon-kevitra iankinan’ny aina (andrim-panjakana, mpisehatra momba ny fahasalamana, fanabeazana, …) no manolotra tahirin-kevitra amin’ny teny malagasy.

Ny vinavina dia hoe :

Raha vitantsika ny mamoaka ny WordPress ho afaka ampiasaina amin’ny teny Malagasy dia :

  • Ho mora kokoa ho an’ireo mpampiasa tranonkala ny hanome vokatra amin’ny teny malagasy. Iriana mba hamporisika azy ireo hihamaro io.
  • Mety hihamaro kokoa ireo manan-katolotra nefa voasakan’ny teny vahiny teo aloha, no ho afaka hizara.

Ary rehefa mitombo ny mpamokatra dia hihamaro ny loharanom-pahalalana amin’ny teny malagasy azon’ny rehetra ho trandrahina, ka anisan’ny handray anjara amin’ny fampihenana ny elanelana amin’ny fahazoana fahalalana sy vaovao.

Anisan’ny tena ho amporisihina hitrandraka ity WordPress amin’ny teny malagasy ity ireo loharanom-pahalalana ifotoran’ny aina toy ny andrim-panjakana, ireo tranonkala azo antoka momba ny fahasalamana, ny fanabeazana, … Ahazoan’ny rehetra fahalalana amin’izay teny manakaiky ny fony.

And. 1 – Ireo sehatra miankina sy tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena (…) dia tokony hiezaka hanolotra ireo tahiri-kevitra ilaina ary handray ny fepetra rehetra hampihenana ny sakana ara-teny (…) mba ahafahan’ny rehetra mampiasa ny cyberespace amin’ny fiteny rehetra.

UNESCO, Torolalana momba ny fampiroboroboana sy ny fampiasana ny fimaroan-teny sy ny fahalalahan’ny rehetra hisitraka ny cyberespace

Vonona handray anjara ?

🇫🇷 Article également disponible en français.

]]>
https://mg.wordpress.org/2020/05/16/tena-mbola-ilaina-ve-ny-hanao-tranonkala-aminny-teny-malagasy/feed/ 2 84